Isan’ny nankalaza ny andro eran-tanin’ny zokiolona, ny talem-paritry ny mponina sy ny depiote Ndahimananjara Johannita ; izay efa minisitry ny mponina teo aloha, ary ny Amadia na “Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta” miara-miasa amin’ny Lions Club, ankalazaina isaky voalohan’ny volana oktobra ary lanonana natao tao amin’ny biraon’ny talem-paritra Atsinanan’ny mponina eto Toamasina. Tamin’izao lanonana izao ankoatra ireo kabary efa mahazatra amin’ny andro eran-tany tahaka izao, dia ny fizaham-pahasalamana ireo zokiolona, amin’ny aretina mitaiza azy ireo no tena nibahana, ka isan’izany ny fizahana ny toe-tena tosi-drà sy ny Diabeta ary ny fizahana maso ho azy ireo. Ireo toe-tena sy ny olan’ny maso ireo anefa dia azo sorohina sy atrehina ara-dalana ka nisy ny fanazavana nataon’ny Dr Andriamanonga Jean Marie, filohan’ny Amadia Toamasina ho an’ireto zokiolona ireto, mba tsy ho vesatry ny tontolo misy azy izy ireo.
Malala Didier