Tovolahy telo no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany fahavalo, ny sabotsy 29 septambra 2018 lasa teo, teny Antsonjombe noho ny famonoana miharo fanendahana. Raha nikasa ny hody rehefa avy nijery fety tao amin’ny kianjan’Antsonjombe ny tovolahy iray tamin’io sabotsy io tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro, dia narahin’ireto jiolahy ireto izay mody nanao mamo. Nony tonga teo amin’ny toerana fiantsonan’ny taxibe ity tovolahy ity, dia nilan’izy telo lahy vaniny sady nodonina mafy mba hianjera. Narahana daroka izany avy eo no sady nendahin’izy ireo ny findainy. Afaka nandositra ihany anefa ilay tovolahy ka tafatsofoka tanaty taxibe iray sendra nandalo izy ary nanatona avy hatrany ny polisy izay nanao fisafoana teny an-toerana tamin’io fotoana io. Rehefa niverina teo amin’ilay toerana nahavoaendaka azy ily tovolahy sy ny Polisy, dia mbola nahatazana ireo olon-dratsy nijorojoro tsy lavitra teo. Vao nahita ireto polisy anefa izy telo lahy dia vaky nandositra ka dia raikitra ny fanenjehana. Voasambotra avokoa izy telo lahy , ary nandritra ny fisavana azy ireo, dia tratra teny aminy ilay finday vao avy nendahiny teo. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahavalo, dia niaiky ny helony izy ireo.
T.M.