- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbalamanasy Toamasina Suburbaine : Zazavavy 10 taona naolana sy nampidirana hazo ny fivaviany

Ambalamanasy Toamasina Suburbaine : Zazavavy 10 taona naolana sy nampidirana hazo ny fivaviany

Raha maty taorian’ny fanolanan’ireto zazalahy 9 taona sy tovolahy 15 taona ilay zazavavy kely 3 taona, tao Antanambao Manampontsy, ny herinandro nivalona iny, na niezaka nitondra an-janany tany amin’ny hopitaly tany an-toerana ihany aza ny reniny taorian’ny zava-nitranga noho hamafin’ny ratra sy ny fahaverezan-drà be loatra tamin’ity zazavavy kely 3 taona ity; dia nitrangana fanolanana zazavavy ihany tao Ambalamanasy Toamasina Suburbaine ny alakamisy teo. Zazavavy 10 taona no nanaovan’andian-tovolahy ny habibiany, satria tsy vitan’ny naolan’izy ireo ity zazavavy 10 taona ity; fa mbola nanatsofohan’izy ireo hazo ihany koa ny fivavian’ilay zazavavy taorian’izay. Mbola karohana ireto andian-jatovo nahavanona izany, satria tsy nisy nahita ny fanolanana natao. Ilay zazavavy nitaraina tamin-dreniny ny nanjo azy niaraka tamin’ny fandehany nibakabaka no nahalalan-dreniny ny zava-nanjo azy. Avy hatrany dia nentin’ny reniny namonjy hopitaly ity zazavavy ity, ka ny teo anivon’ny ivon-toerana ara-tsosialy misahana ireo zazavavy sy ankizivavy ary ireo tovovavy misy manolana natsangana eo anivon’ny hopitaly no nandray an-tànana ny raharaha. Raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo eo anivon’ity ivon-toerana eo ambany fitantanan’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ny ara-tsosialy ary ny vehivavy ity, dia simba tanteraka ilay zazavavy 10 taona. Efa am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ihany koa ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

2 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici