Tsy nisy taratasy na ny iray aza ny fitaterana ireo vatosoa “quartz” izay milanja 15 taonina. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia niainga tany Marovola-Brickaville tany, ireo harena an-kibon’ny tany ireo. Saika hotaterina hiakatra aty an-drenivohitra no voasakana tetsy amin’ny barazin’Ambohimalaza. Nandritry ny fisavana no nahitàna ireo vato marobe ary rehefa nojerena ny taratasy mifandraika amin’izany, dia tsy nisy na ny kely akory aza. Voatery nogiazana avy hatrany ireo entana ary nomena ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany izay nanokatra ny fanadihadiana mifanandrify amin’izany. Endrika gaboraraka tanteraka no mitranga eto amin’ny firenena ary isan’izany ireo tranga izay nisesy teny amin’ny lalam-pirenena. Ny iray saribao efa aman-taoniny kanefa tsy nisy taratasy fahazoan-dàlana (RN2, jereo lahatsoratra etsy ankila). Ity indray dia fitaterana vatosoa am-polony taonina izay mivezivezy tsy misy fanahiana, asa izay indray ny tsimatimanota tompon’andraikitra. Izany hatrany no isan’ny mampivarina ity firenena ity hatrizay ary mbola hitohy raha tsy misy ny fangejana tsikelikely izay hatao, toa ity hetsika Mandio ataon’ny zandary ity.
D.R