Folo lahy, mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampikaikaika ireo mponina teny amin’iny faritra Fenoarivo sy Ampitatafika iny no saron’ny zandary, ny faramparan’ny volana teo. Niaraka tratra tamin’izy ireto ny basy poleta iray sy basy vita gasy iray, fentin’izy ireo manao asa ratsiny. Araka ny fampitam-baovao azo, dia efa ela no nikarohan’ireo mpitandro filaminana ireo andian-jiolahy ireto, saingy tafaporitsaka foana izy ireo. Nanambatra ny heriny anefa teto ireo fokonolona sy ireo zandary teny an-toerana, izay marihana ihany koa fa, mbola ao anatin’ny fanatanterahana ilay hetsika manokana « mandio » ho fametrahana ny fandriampahalemana. Araka izany rehefa nahazo vaovao mahakasika ireto andian-jiolahy ireto ireo zandary, dia nidina avy hatrany teny an-toerana ary nananteraka ny fisamborana. Raha ny vaovao hatrany, dia mbola misy telo amin’ireto olon-dratsy ireto, naman’izy ireo no tafatsoaka tamin’ny fisamborana, ary mbola eo am-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana.
Isan’ny nampitondra faisana tanteraka ireo mponina tamin’iny faritra Atsimondrano iny tokoa ireto andian’olon-dratsy ireto. Tsy mifidy angalarina sy asa ratsy atao mantsy izy ireo, hoy hatrany ny vaovao : manomboka amin’ny fanafihana mpivarotra, fandrobana trano, fanendahana ka hatramin’ny hala-botry isan-karazany. Inoana araka izany, fa mba hiverina hiaina sy hamokatra am-pilaminana ireo mponina eny amin’iny faritr’iny amin’ny fahatrarana azy ireto. Ny sabotsy teo moa izy folo lahy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy ary nadoboka am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.
m.L