- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversRN4 : Nolavin’ny zandary ny vola, roa lahy MD

RN4 : Nolavin’ny zandary ny vola, roa lahy MD

Nitatitra saribao izay 750 gony ny kamiao iray. Rehefa nosavaina izany, teny amin’ny lalam-pirenena izay mifanandrify amin’i Tsaramandroso, dia tsy nahitana tamingan-taratasy izay manome alàlana ny fitaterana. Raha araka ny fijery ny raharaha, dia efa zatra ny lalan-dririnina ireo olona ary tsy nisy nampanahy azy izay fanakanana eny amin’ny lalam-pirenena. Raha ny fanamarihan’ny zandary anefa dia ilàna taratasy fahazoan-dàlana mikapa ny hazo ary koa ny fitaterana izany, izay vao tokony ho azo hentina eny amin’ny lalam-pirenena ny saribao. Manarak’izany, tsy azo atao ny fitaterana izany amin’ny alina, toy izay nitranga tamin’ity indray mitoraka ity. Efa niomana tamin’ny vola ireo olona ary tsy nisalasala ny nanome 155.000 ariary tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Teo dia nivadika ny rasa. Najaona ny kamiao, nogiazana ny saribao ary nosamborina avy hatrany ireo olona dia nanokafana fanadihadiana noho ny fikasana hanao kolikoly. Io vesatra farany io dia ankoatry ny tsy fisian’ny taratasy fahazoana mitatitra. Nidoboka am-ponja ireo olona roa rehefa natolotra ny fampaoavana noho ireo antony maromaro ireo. Any izany izy ireo no miandry ny fotoam-pitsarana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

4 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici