Saika isak’alina dia andrenesana poabasy ny amin’ny fokontany vitsivitsy ny ao Miandrivazo an-tampon’ny tanàna, ka anisan’izany ny ao Ampanasana, Miandrivazo I sy Miandrivazo II. Manamprofo izany fa mbola betsaka ireo basy, fitaovam-piadiana mahery vaika no mivezivezy eo am-pelatanan’ireo olon-dratsy, ka miteraka ny fikorontanana eo anivon’ny fiaraha-monina.
Raha nilamindamina ratsy ny fiainan’ny mponina ao an-tampon’ny tanànan’I Miandrivazo, renivohitrin’I Betsiriry, fotoana fohy lasa izay, dia mirongatra indray ny tsy fahandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Mihainana anatin’ny tebiteby ny vahoaka rehefa milentika ny masoandro. Manamprofo an’izany, dia mandeha ny fanendahana isan’karazany ataon’ireo tanora andian-jiolahy, fa indrindra ny finday. Saika isank’alina, dia mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny fandrenesana poabasy amin’ny fokontany Ampanasana, Miandrivazo I sy Miandrivazo II. Manome vahana an’ireo rehetra ireo, ny tsy fandehanana ny jiro toy ny teo aloha.
Eo anolohan’ny zava-misy, dia nisy hatrany ny fandraisana andraikitra ataon’ny lehiben’ny distrika amin’ny fanamafisana hatrany ny paikady eny ifotony amin’ny fanetsiketsehana ny andrimasom-pokonolona miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana. Vokatrin’ny hestika “Mandio” ataon’ireo zandary, dia hita fa milamin-dratsy ny eny ambanivohitra, ka ny eto an-tampon’ny tanàna indray ireo jiolahy no manao ny asa ratsiny.
Anastase