- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversAntsirabe : Zanaka mpanakanto fanta-daza, hita faty teo an-tokotaniny

Antsirabe : Zanaka mpanakanto fanta-daza, hita faty teo an-tokotaniny

Omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina no nahitan’ny reniny azy, akanjo fitondra matory no teny an-kodiny,  niankina tamin’ny tamboho, nifatotra fehinkibo ny tendany, mbola nisy aina kely izy, saingy tsy tana intsony rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Zanaka mpanakanto fanta-daza eto amin’ny Nosy ity namoy ny ainy tampoka  ity teto Antsirabe. Mampiahiahy ny fahafatesany raha ny filazan’ny fianakaviana. Tsy mba manana olana loatra izy teo amin’ny fiainany ary zaza isan’ny nandrandraina noho ny fahaizany sy ny fahendreny hoy ny ray aman-dreneniny nanazava. Manjavozavo ho an’ny fianakaviana noho izany ny antony mety ho nahafaty ity zanany. Nahitana tavoahangy misy alikaola teo akaikiny, nefa ankizy tsy mpisotro izy io, nisy fehinkibo nifatotra ny tendany, saingy tsy nahitana  mivandotra akory. Ny sabotsy hariva alohan’ny hatory, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, fanaon’ny fianakaviana ny mivavaka alohan’ny hatory ,mbola nanatrika izany ity zanany, saingy  io izy tazana nihantona teo an-tokotaniny io ny maraina. Tsy fantatra mazava hatreto ny tena antony nahafaty ity tovolahy ity. Mpianatra hanomana Master II ao amin’ny ISCAM izy, ka ny Groupe socota no mikarakara azy, satria ity orinasa ity ihany no handray azy rehefa vita ny fianarany. Zanaka faralahin’ny fianakaviana izy ary teo amin’ny faha- 23 taonany monja izao namoy ny ainy tampoka izao.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Vendredi joli

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici