- Publicité -
jeudi 30 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversRN2 : Kamiao nivadika sy nirehitra, namoy ny ainy ny mpamily

RN2 : Kamiao nivadika sy nirehitra, namoy ny ainy ny mpamily

Niezaka nivoaka ihany ilay mpamily, saingy voatery teo anelanelan’ny seza sy ny familiana izy. Efa naharay ny lohan’ilay fiarabe izay potika tanteraka anefa ny afo tamin’io fotoana io ka tsy azo natao intsony.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ny sabotsy tolakandro teo, tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, ao amin’ny distrika Manjakandriana. Kamiao lehibe iray avy naka entana tany an-drenivohitr’i Betsimisaraka no nivadika teo an-toerana. Tsy vitan’ny hoe nivadika niaraka tamin’ny entana nentina anefa ity farany fa mbola nirehitra ihany koa. Vokany olona iray no namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy, izay efa samy nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa. Karaom-by sisa no navelan’ny afo tamin’ilay fiarabe, ary entana mitontaly an-jatony tapitrisa ariary any ho any no levona tanteraka.

Tokony ho telo ora tolakandro tany ho any ity loza ity no niseho raha ny fampitam-baovao azo. Olana ara-teknika nisy teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza. Hiarahan’ny rehetra mahalala mantsy, indrindra raha ireo mpitondra fiara mindrana iny lalam-pirenena faharoa iny fa fidinam-be io eo Carion io raha avy any Atsinanana. Tsy namaly intsony araka izany ny hisatr’ilay fiarabe ka nahatonga azy nikivalavala tamin’ilay fidinam-be ary namarana lalany tamin’ny fivadihana tery ambany. Tsy vitan’izay anefa fa nisy lelafo nivoaka teo amin’ny kodiarana ary nahazo ny entana nentin’ity kamiao ity. Saika vokatra misy akora mora mirehitra avokoa anefa ireo entana (« déodorants » sy ranomanitra) ka vetivety teo dia nijoajoala ny afo, namandrika tanteraka ny mpamily izay tsy tafavoaka tao anatin’ny lohan’ilay fiarabe. Raha ny fandinihan’ireo nanatrika dia mety ho namay loatra ny hisatra tamin’ilay fidinam-be ka namotsotra sy tsy nahatana ilay kamiao intsony nony farany. Tamin’ny fivadihana dia nahazo ny kodiarana ilay vy mamay ary nahatonga ny afo.

Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ireo fokonolona, nanampy  tamin’ny famonoana ny afo sy ny famonjena ireo naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Fa ankoatr’ireo mpamonjy dia nitangorona ihany koa ny olona teny an-toerana, nifandrombaka sy nitsimpona ireo entana hafa, sisa tsy may tao anatin’ilay fiarabe. Niteraka fitohanambe tamin’iny lalam-pirenena iny. Atao ahoana moa fa ny fahorian’ny sasany tokoa, fifalian’ny hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici