- Publicité -
samedi 28 janvier 2023
DomicileFaits-DiversAnkadivoribe : Lasa ny « jantes » efatra, fiara nihantona no hita...

Ankadivoribe : Lasa ny « jantes » efatra, fiara nihantona no hita vao maraina

Vao maraina dia efa malok’endrika ny tompon’ny fiara iray, noho ny hetraketraky ny jiolahy. Ny alin’ny alarobia teo no nanatontosan’izy ireo izany ary tsy aiza fa eo an-tokotanin’olona ihany. Novakiana ny fitaratra aoriana ary izany dia nahafahana niditra tao anatiny. Mialoha ny nangalàna ireo « jantes », dia ny « batterie » aloha no heverina fa nalan’ireo voalohany. Vita izay dia nanaram-po, tsy nisy nahita rahateo, naka ireo « jantes » efatra niaraka tamin’ny kodiarana. Nipetraka tsara teo ambonin’ny vato malao efatra ny fiara no hitan’ny tompony vao maraina. Ankona tanteraka io farany, satria tsy nisy na inona na inona azo natao amin’ny ilay fiara avy hatrany. Sady tsy azo ahetsika satria tsy misy « batterie » no tsy misy kodiarana sy « jantes ».  Tsy vitan’izany, fa mbola vaky tanteraka ny fitaratra aoriana. An-tapitrisany maro arak’izany vao tafaverina amin’ny laoniny ka ho afaka mandeha araka ny tokony ho izy ny fananany. Izany no iainan’ny olona ankehitriny. Raha mba efa nijanojanona ny halatra « pare-brise » izay nampitaraina ny olona maro, indrindra ho an’ireo manana fiara marika peugeot  talohaloha, izao indray dia ny halatra « jantes » sy « batterie » no mirongatra. Matetika dia efa mba samy manana ny mpiambiny ihany ny fiara kanefa izany dia tsikaritra fa tsy manakana ireo jiolahy tsy hanao ny asa ratsiny. Tsy voatery hoe miray tsikombakomba amin’ny mpiambina izy ireo, fa malaza ny fomba ataon’ireo olon-dratsy izay tsy hahenoana na inona na inona ny zavatra ataony mandritry ny fandrobany. Re matetika ny antsoina hoe « fonoka » ary betsaka ny olona izay milaza fa tena tsy mandre na inona na inona mihitsy rehefa mampiasa izany ny jiolahy. Raha manala « jantes » efatra sy kodiarana izany tokoa, dia mila farafahakeliny antsasak’adiny raha olona matanjaka sy maromaro. Tsy nisy naheno anefa na ny kely aza ny zava-nitranga. Tsy voalohany no nisy toy izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici