- Publicité -
samedi 28 janvier 2023
DomicileFaits-DiversManakara : Zaza maty nianjera avy any ambony licthis

Manakara : Zaza maty nianjera avy any ambony licthis

Nitrangana loza tsy nampoizin’ny maro tany amin’ny Fokontany Ambotaka ao anatin’ny Kaominina ambanivohitry Marofarihy, Distrikan’i Manakara, afak’omaly tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany teo ho eo, ka zazalahy iray sahabo folo taona eo izay nihanika « letchis » ka latsaka no maty tsy tra-drano rehefa nitontona voalohany tamin’ny tany ny lohany ary tapaka nioritra ny tendany. Araka ny nambaran’ny namany niara-nihanika lodsia taminy, raha ny fampitam-baovao voaray, dia nahatsapa bibilava do (madotry) natory teny ambony hazo ity zaza ity, ka taitra mafy ary pokatra avy teny, sahabo ho 3,5 m miala ny tany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici