Vehivavy iray 45 taona nisoloky ho mahatafiditra olona ho tantsambo no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany voalohany ny alatsinainy faha-12 novambra lasa teo teny amin’ny 67 ha. Lehilahy iray mpiray tsikombakomba aminy kosa no mbola karohina amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao dia nanomboka tamin’ny volana oktobra ireto olona ireto no nanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra iny. Miresaka amin’izay olona mifanena aminy izy ireo ary milaza fa mahavita mampiditra olona hiasa amin’ny sambo mandritra ny fotoana maharitra ary mampanantena karama be.. Maro araka izany ireo resy lahatra rehefa nanehoan’izy ireo taratasy hosoka avy amin’ny APMF, sampandraham-panjakana misahana izany asa izany. Hatramin’io volana oktobra io dia olona dimy no nakan’izy ireo vola mitentina 5.000.000 ariary isan’olona. Io vola io moa, araka ny nolazain’ireto farany, dia entina hikarakarana « dossier » sy atao saran-dalana. Raha ny nifanarahana moa dia tamin’ny alahady 11 novambra 2018 ireo olona ireo no hanainga. Tsy nipoitra akory anefa ireto mpisoloky ireto rehefa tonga io andro io. Araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena ihany no nahalalana fa efa mahatratra 20 ireo olona voasolokin’izy roa ireto ary efa nametraka fitoriana avokoa. Nitory azy ireo ihany koa ny APMF. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nikaroka ireo mpanao ratsy . Noho ny vela-pandrika dia noraisim-potsiny teny amin’ny 67 ha ilay ramatoa ny 12 novambra teo raha mbola saika haka vola tamin’ny iray tamin’ireo olona 20 efa voasolokiny ireo. Niaiky ny helony moa izy nandritra ny fanadihadiana azy ary nilaza fa mpanatanteraka ihany fa ilay lehilahy izay niaraka taminy no tena atidoha nikotrika izao asa ratsy izao.
T.M.