Nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tsivory, ao anatin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao amin’ny fokontany Fandranarivo, ka fokonolona roa no namoy ny ainy ary am-polony kosa ireo naratra mafy voatifitra. Ity tanàna voatafika ity, dia miala 8 km andrefan’i Tsivory renivohitry ny kaominina, izay manaraka ny lalam-paritany (RIP 117) mihazo an’i Marotsiraka mivoaka amin’ny RN 13 ao Andalatanosy. Noho ny faharatsian-dalana misy, eo ihany koa ny fahalaviran’ny tobin’ny mpitandro filaminana ary ny tsy fisian’ny tambajotram-pifandraisana mampijaly ny vahoaka, dia miliba ireo dahalo tsy niova fo antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : kotro izay tsy matahotra fanjakana intsony. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia nanodidina ny 80 isa eo ireto andian-dahalo nanafika izay nitam-piadiana avokoa izy ireo.
Eric Manitrisa