Ny sabotsy 29 septambra antoandro dia tovolahy iray tsy nanampo na inona na inona no nosakanana jiolahy teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena eto Toamasina. Avy hatrany dia voambana basy PA ity tovolahy ity ka lasa tamin’izany ny moto sy ny vola 400.000 ariary tany aminy nandritra izany. Taorian’izay dia nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy ilay tovolahy, tsy nisaron-tava rahateo ireo nandrava azy niaraka tamina basy nandritra izany ka tadidiny tsara. Raha naharay ny fitoriana ny polisy dia nanao ny fikarohany noho ilay fandravana nisy fanambanana basy, ka ny alakamisy 16 novambra teo dia nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy moto tsy ara-dalana sy mampiahiahy entin’olona ao Andranomadio P/elle 11/41. Avy hatrany dia noraisin’ny polisin’ny FIP an-tanana ny fanaraha-maso ity moto tsy ara-dalana sy ny mpitondra azy ity, ka teo no nahalalana fa ilay moto nisy nandroba teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ny volana septambra teo ilay izy. Raha natao ny fisamborana dia tratra nandritra izany Ingahy Jackson Eddy, ilay nanambana basy ity tovolahy teny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena. Tafaverina amin’ny tompony ihany koa ilay moto ankehitriny. Miatrika ny fakana am-bavany azy Ingahy Jackson Eddy mamaly ireo fanadihadiana ataon’ny polisy azy mikasika ny halatra vitany sy ny momba ilay basy nampiasainy. Ankilan’izay dia ny alin’ny talata 13 novambra teo dia entan’ny tovolahy iray tonga eto Toamasina avy any Antananarivo namonjy fodiana tao Tanambao V, no nentina posy bisikileta nitsoaka. Mpanamboatra finday ilay very entana ka lasan’ity mpitondra posy ity avokoa ireo findain’olona hamboarina tany aminy nandritra izany. Taorian’ny fitoriana nataon’ilay tovolahy dia nanomboka ny fanaraha-mason’ny polisin’ny FIP, ka tratra tao amin’ireo mpivarotra alina, “bazarim-bolondolo”, Ambolomadinika, ny alakamisy 15 novambra teo, ireto entana very nentin’ilay mpitondra posy bisikileta nitsoaka. Manao antso avo hatrany ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana ny tokony hahamailo mandrakariva ny rehetra fa tsy kely lalana sy tsy lavitra ny tsirairay ny jiolahy izao.
Malala Didier