- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversMaevatanana : Miaramila voalaza fa nandoro tanana sy namono olona, an-dalana ny...

Maevatanana : Miaramila voalaza fa nandoro tanana sy namono olona, an-dalana ny fanadihadiana

Ny herinandro ambony teo no nitranga ity fandoroana tanana ary fakàna an-keriny olona ary fanagiazana entan’olona ity, tany amin’ny tanana iray ao amin’ny fokontany Ambohimiandra, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, izay voalaza fa nataona miaramila valolahy. Nitohy hatramin’ny alarobia teo moa izy io. Izany dia araka ny taratasy fitarainana nataon’ireo mponina tany an-toerana, izay nampandalovin’izy ireo tao amin’ny fokontany sy ny kaominina tany an-toerana. Araka ny fantatra dia efa an-dalana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. « Efa henonay taty amin’ny Fibaikoana io tranga io, hoy ny avy eo anivon’ny Seraseran’ny Tafika, raha nanontanianay. Hatreto dia tsy mbola afaka milaza izahay fa nisy ilay tranga na tsia. Efa nisy olona nalefa any an-toerana ary mbola tsy nisy tatitra aloha. Ny azo antoka fotsiny dia raha tena nisy tokoa ilay tranga dia tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina amin’ireo nahavanon-doza, raha tena miaramila avy ato aminay tokoa no nahavita izany ». Etsy andanin’izay ihany koa dia tsy mipetra-potsiny ry zareo avy eo anivon’ny zandary misahana iny faritra iny, izay nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha, raha vao nahare fotsiny ilay vaovao. « Ny Kômandin’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana mihitsy no nalefa tany amin’io toerana io hanao ny fanadihadiana rehetra », hoy ny tompon’andraikitra. « Saingy hatreto ihany koa dia tsy mbola nisy tatitra tonga, noho io tanana io lavitra sy saro-dalana fa indrindra sarotsarotra ihany koa ny fifandraisana any an-toerana », hoy hatrany ny fanazavàna azo.

Raha tsiahivina tokoa ity tranga ity, dia ny alakamisy 15 novambra lasa teo no voalazan’ireo mponina fa nisy miaramila valolahy, niaraka tamina « Quartier mobile » roalahy. Voalaza fa tonga hanao fanadihadiana izy ireo tao amin’io toerana io ary nisy olona nalain’izy ireo. Nivadika anefa ny rasa fa lasa takalon’aina ireto farany, ary notakiana volabe mba hamotsorana azy. Nisy basy roa ihany koa, izay voalaza hatrany fa ara-dalàna tanteraka nogiazan’izy ireo ary nitakiana vola ihany koa ny fangalàna izany. Fa tsy vitan’izay fa taorian’io dia nodoran’izy ireo ny trano maromaro : 10 tamin’izany ny tranon’olona, ary ny dimy fitoeram-bary. Ny alarobia lasa teo dia toa hoe niveren’ireto andian’olona ireto indray izany tanana izany ary vao mainka niampy ny trano nodoran’izy ireo. Tamin’io fotoana io no nisy aina nafoy, araka ny vaovao voaray hatrany. Mitaraina araka izany ireo mponina ary miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy mba hijery akaiky ity famoretana mahazo azy ireo ity.

Ratantely / m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici