Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny fokontany Mandritsara, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Matangy, distrikan’i Vangaindrano, afak’omaly. Lehilahy iray voalaza fa mamon-drongony no namono nahafaty olona enina tamin’ny alalan’ny fira antsy. Mbola nandratra olona am-polony ihany koa ity lehilahy romotra noho ny fifohana kasy (fiantsoana ny rongony any an-toerana) ity. Ireo tena naratra mafy izay nihosin-drà tanteraka voafira antsy teo amin’ny handriny sy teo amin’ny sorony ary teo amin’ny tendany, dia nalefa haingana notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Vangaindrano ho famonjena ny ain’izy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II Matangy koa ireo naratra ambiny. Rehefa voasambotry ny fokonolona ity lehilahy nahavanon-doza ity, dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoy ny ainy ihany koa. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, izay olona sendra an’ity lehilahy mamon-drongony ity teny an-dalana, izay tsy nanampo na inona na inona akory, dia novonoiny avokoa.
Eric Manitrisa