- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversFakàna an-keriny : Nitantara ny nanjo azy i Kamis Arman

Fakàna an-keriny : Nitantara ny nanjo azy i Kamis Arman

Mivoatra haingana be ny raharaha mikasika ilay fakana an-keriny ; izay nahavotsotra teo ambany ziogan’ireo mpaka an-keriny an’i Arman Kamis, ny alatsinainy tolakandro teo, noho ny hetsika manokana nataon’ny zandary nampiasain’izy ireo  ny efapolo lahy ,olony.

Omaly talata raha natonin’ny mpanao gazety ingahy Arman Kamis dia nanaiky nanome fanazavana ny nanjo sy ny zavatra hitany nandritra iny fakana an-keriny sy nanagiazana azy tao Tsararivotra Tsarakofafa Toamasina Suburbaine izao, tao amin’ity trano be sy mifefy simenitra. Nambarany tamin’ny fijoroana vavolombelona nataon’i Arman Kamis, fa nandritra ny nihazonana azy dia nijaly ara-moraly sy ara-batana izy noho ny aretina mitaiza azy sy ny tahotra amin’ny ainy ary ny fianakaviany; koa raha ny filazany dia very lanja 5kg izy tao anatin’izay dimy andro nihazonana an-keriny azy izay. Nandritra izao fihazonana azy an-keriny izao, dia sady voakasi-tànana izy no nofatorana koa ny tongotra aman-tànany. Vola telo miliara ariary no nangatahan’ireto mpaka an-keriny azy ho takalon’ny ainy nandritra izany ka ny zoma 23 novambra teo no nifandraisan’ireo mpaka an-keriny tamin’ny fianakaviany nangatahana izany; izay voalaza fa tsy nanaiky niadiam-barotra mihitsy ireo mpaka an-keriny momba ity vola ity tamin’izany.

Nohamafisin’i Arman Kamis tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no naka azy an-keriny, ny alarobia 21 novambra tolakandro io; ka tao anatin’ny trano nihazonana azy dia misy manao saron-tava ireo olona mifamezivezy tao, misy kosa no tsy manao izany ; izay efatra izy ireo no mifandimby amin’izany. Misy koa vehivavy mivezivezy tao aminy nandritra izany izay misarom-boaly sy misatroka avokoa izy ireo ka tsy hita mihitsy ny tarehiny. Voalazan’i Arman Kamis hatrany tamin’ny fijoroana vavolombelona nataony fa maro ny olona mivezivezy ao amin’ity trano nanagejana azy ity, ka raha misy olon-kafa miditra dia akaton’izy ireo ao anaty efitrano irery ao mifatotra ny tenany. Ny fanazavana ihany koa no nahalalana, fa nandritra ny fihazonana azy dia nandefa “clé Usb” teny akaikin’ny trano misy ny fianakavian’ny Arman Kamis ireto andian-jiolahy, izay misy sary na rà nefa araka ny nambarany dia ran’akoho ilay izy, saingy nentina nampihorohoroana ny fianakaviany mba hanome ilay vola telo miliara ariary takian’ireo jiolahy ho vidin’ny ainy, satria hoe maratra mafy ny tenany ka raha tara ny fanomezana ny vola be dia ho faty ny tenany.

Efa nametraka fitoriana mikasika izao nanjo azy  ny fianakavian’i Arman Kamis, izay ny zandary misahana ny heloka be vava no misahana ny raharaha. Vokany, nisy olona efatra nosamborina omaly ka ny roa tamin’izany dia polisy, miaramila kosa ny faharoa. Ireo roa sivily kosa dia voasambotra nandritra ny hetsika ny alatsinainy tolakandro teo, raha ny harivan’ny alatsinainy io ihany no voasambotra ny iray hafa. Tafaporitsaka mbola hifampitadiavana kosa ny telo lahy mpaka an-keriny ireto. Mitohy ny fanadihadiana lalina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici