- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnjozorobe : Zaza telo nataon’ny dahalo takalon’aina

Anjozorobe : Zaza telo nataon’ny dahalo takalon’aina

Omby an-jatony no lasa, rangahy lehibe iray no maty ary zaza telo no lasa an-keriny. Io vokatry ny fanafihan-dahalo nivaivay tany amin’iny kaominina Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo miaramila nanavotra ireto ankizy ireto.

Araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny Sampana seraseran’ny Tafika Malagasy dia ny talata teo no avotra soa aman-tsara ireto ankizy lasa takalon’aina ireto, rehefa notazomin’ireo olon-dratsy teo amin’ny dimy andro teo. Talohan’io tokoa mantsy no nitrangana fanafihana tao amin’io tanana voalaza etsy ambony io. Am-polony any ho any ireo dahalo, no sady nirongo fitaovam-piadiana. Nanao izay danin’ny kibony tokoa ireto olon-dratsy ireto nandritra ny fanafihana. Omby manodidina ny 120 isa teo no nentin’izy ireo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nisy ankizilahy telo niaraka tamina lehilahy lehibe iray ihany koa nentin’izy ireo nataony takalon’aina sy nentina nampitahorana ireo mponina tsy hanaraka azy ireo. Na izany aza anefa dia nanatanteraka fanarahan-dia ihany ireo fokonolona taorian’ny fanafihana. Noho izay zavatra izay dia tsy nisalasala mihitsy ireto olon-dratsy nitifitra nahafaty ilay rangahy lehibe, izay navelan’izy ireo teo. Ireo omby aman-jatony ihany koa torak’izay. Ireo ankizy kosa no nentiny ary nitakian’izy ireo vola an-tapitrisany tamin’ireo fianakaviany. Teo anatrehan’izay dia nanao antso vonjy tamin’ireo Vondron-tafika nanao hetsika fampandriana fahalemana tany an-toerana ireo fokonolona. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireto farany, nikaroka ireo olon-dratsy ary nanavotra ireo zaza. Vokany, avotra soa aman-tsara teny am-pelantanan’ireo dahalo iretsy farany, nisy enina tamin’ireo olon-dratsy kosa no azo sambo-belona ary efa natolotra ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana tany an-toerana. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay, raha ny fanazavàna azo, ny fikarohana ireo mpaka takalon’aina hafa izay tafatsoaka nandritra ny fisamborana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici