Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka momba ity fahaverezam-bolam-bahoaka ity moa ny zandary avy ao Mananjary. Raha ny loharanom-baovao voaray farany, dia efa misy olona ahiahiana amin’ity heloka bevava ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.
Vaky nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony tamin’ny 11 ora, ny « coffre »-n’ny Paositra Malagasy ao Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, ka very tamin’izany ny lelavola 65 tapitrisa ariary. Raha ny nambaran’ny Reseveran’ity Paositra ity, Julliot Nandrosoana : « Nongotan’ireo jiolahy voalohany ny varavaran’ny trano efa antitra mifanatrika amin’ny farafara hatoriako. Taitra aho naheno feo ka niarina, nefa roa lahy mitazona « torche » sy antsy lava lela miendrika sabatra no teo akaiko. Notsiloviny ny masoko ka tsy nahita ny endrik’ireo olon-dratsy mihitsy aho. Aza miresaka, hoy izy, aiza ny lakilen’ny « coffre » ? Tsy aty amiko hoy aho. Nitodika tamin’ilay namany fahatelony izy izay manana lakilé ka niteny hoe : amboary malaky ary ! »
Nanamafy ity mpiasam-panjakana ity nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety, fa nisy jiolahy roa hafa niresaka tao an-tokotany, ka niteny ny iray : « vita ve ? Malakilaky », dia namaly ilay tao amin’ny birao namoha ny fitoeram-bola sady naka ny vola rehetra, hoe : « vita ». Efa dify lavidavitra ireo mpandroba vao afaka niantso vonjy sady nihazakazaka nankany amin’ny biraon’ny zandary ity solontenam-panjakana. Rehefa nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana, dia nisy etona nanempotra be tsy zaka nidirana tao amin’ilay birao misy ny « coffre » vaky, ary tavela teo ny fanalahidin’ny fitoeram-bola efa nisokatra, tsy nisy vola intsony tao anatiny.
Eric Manitrisa