Valo no nosamborin’ny zandary ary nidoboka am-ponja avy hatrany rehefa natolotra ny fampanoavana. Ny anton’izany, dia noho ny fisamboran’ireo vehivavy iray izay nolazaina fa mpamosavy. Ny mpikamban’ny Dinabe tao Besaboha no nanatontosa an’izany ary tsy vitan’izany fa mbola ireo koa no nanao ny famotorana an’ilay olona. Izany hoe noraisin’ireo tanteraka izany ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Nahavita nampandre ny manampahefana tao an-toerana ny fianakavian’ilay ramatoa ; izay notànana an-keriny. Ny ampitson’izany no tapaka ny hevitra ny amin’ny hisamborana ireo mpikamban’ny Dinabe. Nisy valo tamin’ireo 11 izay tompon’antoka no azon’ny zandary ary nidoboka am-ponja avokoa izy ireo. Olana eto amintsika ny fampiharana ny Dinabe noho ny antony ohatr’izao. Ankoatry ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpikambana ao anatiny, dia lasa sehatra iray mitady hanitsaka ny asan’ny mpitandro ny filaminana koa izany. Very ny olona matetika rehefa misy ny olana izay mitranga : ny voalazan’ny Dinabe ve no tokony hampiharina sa ny lalàna manan-kery kosa? Tamin’ity raharaha ity, raha araka ny fanazavan’ny zandary, dia sady notazonina an-keriny ilay ramatoa no nangalana vola mitentina 920.000 ariary . Nitarika ny fivorian’ny manam-pahefana rehetra tao an-tanàna ny raharaha rehefa nampandrenesina ny sefo distrika. Rehefa vita ny fisamborana ire olona, dia nentina lavitra niala ny tanàna izy ireo mba hialàna amin’izay mety ho fitsaram-bahoaka hitranga na koa valifaty hataon’ny namany. Miteraka olana lehibe rehefa tsy voafaritra tsara ny anjara asan’ny Dinabe sy ny rafitra tokony hipetrahan’izany. Na ireo olona ao anatiny aza, dia mahatsiaro azy ireo ho manam-pahefana sy tsy refesi-mandidy ary dia lasa manaonao foana aza indraindray. Etsy andanin’izany koa anefa, tsy afa-miala amin’izy ireo ny mpitandro ny filaminana, satria vitsy loatra izy ireo ary dia ireo no manampy rehefa misy asan-dahalo sy fanarahan-dia.
D.R