- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-DiversTalatavolonondry : Voaambana basy ny mpivarotra

Talatavolonondry : Voaambana basy ny mpivarotra

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, ny maromaro lahy izay tsy voafaritra isa no tonga tao amin’ny fokontany Ambohitrango, ao Talatavolonondry. Efa nangina ny tanàna ny alahady teo hany ka henon’ny rehetra ny firodorodon’ireo olona. Na izany aza anefa tsy nisy sahy nivoaka intsony satria efa nahazo tsindrimandry, fa dahalo no nigadona. Nandondona tao amin’ny mpivarotra iray izy ireo ary nilaza fa mpanara-dia dahalo izay vao avy nandroba. Vitan’ireo koa ny nandresy lahatra ny mpivarotra avy amin’ny filazana, fa mba hividy vatoaratra ampiasaina amin’ny “lampe de poche” izy ireo ary koa haka fanafody vitsivitsy fa misy tsy salama. Dia novohaina tokoa ny toeram-pivarotana kinanjo basy avy hatrany no narangarangan’ireo olon-dratsy. Norahonana ny mpivarotra mba hamoaka izay vola misy rehetra ao amin’ilay toerana. Lasa tao anatin’izany ny 500.000 ariary ary tsy mbola nionona teo ireo jiolahy, fa tena naka entana izay zakan’izy ireo, isan’izany ny vatoaratra izay nentina namitahana teny am-boalohany. Ankehitriny, dia efa fantatra iraisam-pirenena ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Isan’ny voaresaka hatrany izany any anaty atrikasa maro izay miompana amin’ny zon’olombelona. Ny fanafihan-dahalo, ny fanafihana eny amin’ny làlam-pirenena, ny fanondranana olona, ny fakana an-keriny ary ny kolikoly, dia lasa laza ratsy tanteraka ho an’ny firenena ary isan’ny tena amantarana azy anefa. Samy mirongatra avokoa ireo voaresaka eo ambony ireo, indrindra amin’izao vaninandro izay toy ny tsy misy mpitarika izao ny Nosy. Manampy trotraka an’ireo ny fiparitahan’ny basy sy ny fanamparam-pahefana; izay mainka koa mitarika tsy fahatokian’ny olona ny rafitra izay misy. Lasa ady iainana isan’andro izany ny tsy fandriam-pahalemana izay mitarika sakana ho an’ny fivoahan’ny olona amin’ny kizon’ny fahantrana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici