Ny alakamisy teo no natolotra ny Fampanoavana ireo 16 mianadahy voarohirohy tamina resaka fanafihana sy famonoana mpivady mpivaro-kena iray tao Analavory. Fantatra fa ny sivy tamin’ireto olona ireto ihany no naiditra am-ponja ao Ambohidratrimo, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona fito ambiny, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
Raha tsiahivina tokoa ny tranga dia nisy fanafihana nihazo vono olona mahatsiravina nitranga ao Analavory tokony ho herinandro mahery lasa izay. Mpivady mpivaro-kena iray tao an-tanana no lasibatra tamin’io fotoana io. Maty voatifitr’ireo olon-dratsy ilay rangahy, naratra kosa ilay ramatoa. Vola mitentina eo amin’ny sivy tapitrisa ariary teo ho eo kosa no lasan’ireo mpanafika. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia namono omby maromaro izy ireo tamin’io fotoana io ka tratra hariva, raha handeha hamonjy ny fodiany. Teny an-dalana, raha mbola tao anatin’ny posy nandehanany no nosakanana andian-jiolahy izy mivady. Nitifitra avy hatrany ireto farany ka nandrovitra ny sofiny sy nandoaka ny kibon’ilay rangahy ny bala. Nentin-tahotra kosa ilay ramatoa ka nanome avy hatrany ny vola tany amin’izy ireo, saingy tsy nahasakana ireo olon-dratsy tsy hidaroka azy indray izany. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary ka ny ampitson’io no nisy olona voasambotra. Vehivavy iray ary lehilahy ny telo. Tamin’ny fanadihadiana ireo farany no nahafahana nisambotra ireo namany hafa, izay tafakatra 16 taty aoriana. Efatra tamin’ireo no fantatra fa vehivavy. Taorian’ny famotoran azy 16 mianadahy moa dia izao nampakarina Fampanoavana izao ary io niafara tamin’ny famonjàna vonjimaika ny sivy tamin’izy ireo, izay inoana fa ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana.
m.L