- Publicité -
jeudi 23 mars 2023
DomicileFaits-DiversMaevatanàna : Ankizy mpamaky trano, mivadika voalavo rehefa hanao ny asa ratsiny 

Maevatanàna : Ankizy mpamaky trano, mivadika voalavo rehefa hanao ny asa ratsiny 

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny miaramila aty amin’ny faritra Betsiboka. Noho ny firongatry ny vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana ary ny fanendahana izay miseho tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, tao anatin’ny telovana lasa, dia tsy nikely soroka tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny miaramila aty an-toerana. Maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny nahatongavan’izy ireo teto amin’ny renivohitrin’i Betsiboka, araka ny vaovao voaray. Nisy ny hetsika manokana natao tsy mivoana amin’ny tanjona apetraky ny ministeran’ny fiarovam-pirenena. Isan’izany ny fanakaikezana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana miaramila eny ifotony mba hahazoana vokatra tsara. Ankoatra izay ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezana loharanom-baovao mahakasika ireo jiolahy mirenireny eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Nahitam-bokany izany noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo, nahafantarana fa misy olona antsoina hoe Vonindrasana Solo na « Solokely », vao 13 taona monja, voalaza fa manana fanafody gasy mivadika voalavo rehefa manao ny asa ratsiny, ary ampiasainy amin’ny fanafihana isan-karazany. Omaly maraina no tra-tehaka teny amin’ny fokontany Morafenokely ity lehiben’ny jiolahy zandriny ity, no sady ikoizana amin’ny famakiana trano, halatra solosaina, kojakoja an-tokantrano, baterin’ny fiara, ary fanolanana zaza tsy ampy taona. Raha ny vaovao voaray tamin’ny lietinà kolonely Tiana Jimmy, izay lehiben’ireo miaramila eto Maevatanàna, dia tsy mifidy entana angalarina i Solokely, fa izay tojo azy dia robainy sy ataony mitondra faisana avokoa. Raha ny fantatra, dia efa nigadra natetika tany amin’ny fojan’ny zaza tsy ampy taona tao Mahajanga ity  jiolahy kely ity noho ny resaka halatra narahana herisetra sy fanolanana, nefa isaky ny tafavoaka ny fonja izy, dia mamerin-keloka manohy ny asa ratsiny hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici