- Publicité -
dimanche 2 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTsy fanajana fifanaraham-piaraha-miasa : Nitory ny Jirama eny amin’ny Tribonaly ny orinasa...

Tsy fanajana fifanaraham-piaraha-miasa : Nitory ny Jirama eny amin’ny Tribonaly ny orinasa Pro GSI

Taorian’ny savorovoro nitranga tao amin’ny tobin’ny Jirama ao Bazary be Toamasina ny 4 aprily lasa teo. Fantatra izao, araka ny loharanom-baovao fa nitondra ity raharaha ity eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ilay orinasa mpiambina ity toerana ity. Natao izao fitoriana izao, araka ny fanazavan’ny mpisolovava ity orinasa ity, noho ny tsy fanajan’ny Jirama ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny roa tonta. Nisy tokoa ny savorovoro tamin’io 4 aprily io satria tamin’io fotoana io dia tonga tao amin’ity toerana arovan’ny Pro GSI ity ny tompon’andraikitra avy amin’ny fikambanana atao hoe » Fihavanana » mba hanao ny fifamindran-draharaha amin’ny tompon’nadraikitry ny Pro GSI. Voalaza mantsy fa efa nomen’ny Jirama an’ity fikambanana ity ny fiambenana io toerana io. Tsy  nanaiky izany anefa ny Pro GSI satria tsy mba nisy akory ny fampahafantarana mialoha (pre-avis) azy ireo amin’io fanafoanana fiaraha-miasa io. Fombafomba izay voarakitra ao amin’ny fifanarahana nifanaovan’ny roa tonta tamin’ny nahazoan’io orinasa io ity asa ity tamin’ny taona 2012. Nambaran’ny mpisolovava an’ity orinasa ity fa tamin’ny alalan’ny filazana tolo-bidy na « appel d’offres » no nahazoan’izy ireo izany ka nisy ny vola antoka tsy maintsy naloa. Tsy vitan’izay fa mampiahiahy be ihany ity orinasa ity ny fomba nahazoan’ny fikambanana Fihavanana io andraikitra io. Tsy afaka nanome ny taratasy manamarina ny fahazoany izany akory ity farany raha nanontaniana, hoy ilay mpisolovava. Tsy vitan’izay, fa nilaza ihany koa ity farany fa mbola ananan’ny Pro GSI trosa an-tapiitrisany ariary maro ny orinasa Jirama..Vola tambin’ny asa nataon’ny orinasa nandritra ny volana maro nefa tsy naloan’ny Jirama mihitsy hatreto. Izao anefa dia fandroahana no mihatra amin’ny orinasa. Nambaran’ity mpisolovava ity anefa, fa tsy mbola nisy ny zavatra tsy nety nataon’ity orinasa ity nandritra izay fotoana niatoan’ny fiarovana io toby ao Bazary be io. Ity farany izay fantatra fa tena iankinana’ny ain-dehiben’ny asan’ny Jirama ao Toamasina.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici