- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversOlona voapoizina ara-tsakafo : Feno hipoka Hjra sy Befelatanana

Olona voapoizina ara-tsakafo : Feno hipoka Hjra sy Befelatanana

Tany ho any amin’ny dimampolo  tany ho any ireo narary mafy voatery naiditra hôpitaly vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo azy ireo tany amin’iny faritra Ambohitsarantany Ankazondandy iny, ny sabotsy hariva teo. Raha ny angom-baovao azo, dia vokatry ny menaka tsy ara-pahasalamana nanaovan’ireo olona ireo sakafo nandritra ny fampakaram-bady tao an-toerana no nahatonga ny loza. Voatery nampakarina tany an-dRenivohitra avokoa ireo olona nihinana izany, izay nalemilemy tampoka : nandoa sy nivalana. Fa ankoatr’io tany Ankazondandy io, dia olona 13 ihany koa naiditra hôpitaly tao Anjozorobe vokatry ny fihinana izany menaka tsy ara-pahasalamana izay ihany, tany Andreba Avaratra. Raha ny vaovao azo moa dia samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ary efa tsy misy ahatahorana intsony ny ain’ireto olona an-jatony  narary ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici