- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-DiversLalam-baovao Tsarasaotra – Ivato : Lehilahy nitondra môtô nisy nanendaka sy nidaroka

Lalam-baovao Tsarasaotra – Ivato : Lehilahy nitondra môtô nisy nanendaka sy nidaroka

Raha ny faran’ny herinandro teo no niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpanendaka olona eny ambony môtô teny amin’iny faritra Masay iny, dia nihataka moramora ireo namany,  ka namely olona teny amin’iny lalam-baovao teny Tsarasaotra mampitohy an’Ivato iny indray.

Omaly, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, dia lehilahy iray nitondra môtô no lasibatry ny mpanendaka teny an-toerana. Araka ny angom-baovao azo, dia naratra ny lehilahy ary lasan’ireo olon-dratsy ny zavatra sarobidy sy ny môtô nentiny. Amin’ny toe-javatra toy itony moa, mazàna dia saika mitovitovy avokoa ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy. Manao andiany maromaro ireto farany, izay matetika dia miaraka amin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany, ary mamonjy miafina amin’ny sisin-dàlana. Mitondra vy na hazo lavalava izy ireo amin’izany, hentiny hamelezana ireo mpitondra môtô sendra azy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tovolahy iray nitondra môtô « Yamaha RS » no sendra azy ireo teny an-toerana. Raha ny angom-baovao, dia toa hoe novelesin’izy ireo tamin’ny vy lavalava ny lohany teny am-pandehana. Rehefa nianjera iny sy tsy nahatsiaro tena iny no mbola nambanan’izy ireo tamin’ny fitavaom-piadiana teny an-tànany. Lasany araka izany ilay kodiaran-droa tsara tarehy sy somary lafo vidy. Ilay lehilahy kosa  naratra mafy tao amin’ny lohany ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany ireo mpitondra môtô, fa efa tsy misy tahotra intsony ary tsy kely làlana mihitsy ireo mpanao ratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici