- Publicité -
dimanche 2 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversToamasina : Enin-dahy nisaron-tava nanafika “grossiste”

Toamasina : Enin-dahy nisaron-tava nanafika “grossiste”

Ny talata hariva tokony tamin’ny 04ora sy sasany teo dia notafihana andian-jiolahy enina nisaron-tava avokoa ny tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray tao Anjoma ambony. Nitondra basy poleta ary sahy nanapoaka izany ireto andian-jiolahy ireto nandritra izany, ka naratra noho ny tifitra nahazo azy ilay ramatoa tompon’ny tranombarotra, ary lasa nandritra izany ny vola maty rehetra izay tsy nahazoana akony ny sandany. Raha ny fanazavana azo dia efa tsikaritry ny olona ny fidiran’ireto andian-jiolahy ireto ilay lalam-pasika miditra ity tranombarotra mpamongady zava-pisotro ity, saingy toy ireny olon-drehetra ireny izy ireo nandeha ka tsy nisy taitra. Nanao tapody niverina anefa izy ireo raha somary lasa taloha kely ary avy hatrany dia efa nisaron-tava tao anatin’ny aroloha nanaovan’izy ireo. Ny efa-dahy niditra ilay tranombarotra no sady avy hatrany dia nitifitra sy nitaky ny vola tao. Ny roa kosa niandry ny moto telo nentin’izy ireo tety ivelany ary nanara-maso ny manodidina sao misy mpanelingelina ny fanafihan’izy ireo. tsy niandry ela dia namoaka ny vola maty tao aminy ilay ramatoa tompon’ny tranom-barotra, ny iray tamin’ireo jiolahy kosa naka ny solosaina mitahiry ireo sary nalain’ireo “camera” manodidina sy tao anatin’ilay tranombarotra. Na voatifitra aza ilay ramatoa tompon’ny tranombarotra dia tsy naninona kosa raha nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Raha nahazo ny nilainy koa ireto andian-jiolahy ireto dia lasa sym bola nanapoaka basy ho fandrahonana ireo mety naharaka azy ireo. lalam-pasika raha teo no nandosiran’izy enin-dahy ka tsy hit any nandehenan’izy ireo taorian’izany. Omaly alarobia maraina vao nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava ny tompon’ny tranombarotra noho izao fanafihana nahazo azy ireo izao. Ankoatra izany raha hiverenana ny tantara dia ny sabotsin’ny paska teo koa no nisy nanafika ity mpivarotra “la soupe de l’Est” mbola tao Anjoma ihany, ka vola 1.000.000 ariary no lasan’ireo andian-jiolahy niampy ireo vola sy findain’ireo :mpajifa tao amin’ny fivarotana “la soupe” Anjoma ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici