- Publicité -
dimanche 2 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMahabo : Kamiao nitondra mpitety tsena nivadika, 4 maty, 38 naratra

Mahabo : Kamiao nitondra mpitety tsena nivadika, 4 maty, 38 naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesan’olona indray tamin’ny RN35, 500 metatra tsy hiditra ny tanànan’ Ankilizato, Distrikan’i Mahabo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Raha ny vaovao voaray, dia fiarabe iray nitondra gony katsaka sady mbola nitondra mpandeha 40 mahery avy namonjy tsena, tao Akorampara any amin’ny Kaominina ambanivohitry Befotaka no tra-doza, ka nivadika ambony ambany. Vokany : olona efatra no maty tsy tra-drano, mpandeha 38 naratra mafy ka ny dimy tamin’izy ireo dia nalefa haingana tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Morondava, fa ny 33 ambiny kosa manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II-n’ Ankilizato, izay mbola arahi-maso akaiky ankehitriny ny toe-pahasalaman’izy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici