- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnkadikely-Ilafy : Lehilahy karohina noho ny asan-jiolahy, maty voatifitry ny zandary

Ankadikely-Ilafy : Lehilahy karohina noho ny asan-jiolahy, maty voatifitry ny zandary

Karohin’ny mpitandro filaminana hatramin’ny ela noho ny resaka asan-jiolahy sy halatra, lehilahy iray tokony ho 25 taona antsoina hoe “Rama” no maty voatifitry ny zandary teny Ankadikely-Ilafy nandritra ny fisamboarana azy teny an-toerana, ny talata 28 may 2019 alina. Araka ny fanazavana, nidina teny an-toerana ireo zandary rehefa nahazo vaovao marim-pototra, fa mihaodihaody ao amin’io tanàna io ity olona ity. Hita teny tokoa ny lehilahy, saingy nanohitra rehefa hisambotra azy ireo zandary. Voatazona ihany anefa izy rehefa avy nifampitolona tamin’ireo mpisambotra azy.  Tsy vitan’izay anefa, fa mbola votsotra teo am-pelan-tanan’ireo zandary ihany izy ka niezaka nandositra. Voatery nitifitra azy ireo zandary rehefa tsy nety nijanona izy na teo aza ny fampitandremana nataon’ny ireo mpitandro filaminana taminy. Voaky maty tsy tra-drano ralehilahy rehefa voan’ny bala teo amin’ny faritry ny kibony. Nalefa eny amin’ny tranom-paty ao amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona ny razana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici