Isany vono olona nampitsangam-bolo ireo mponina tao Tsarahonenana ity raharaha niakatra fitsarana ity, ka raha namoaka didy ny mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy niaraka taminy, dia 10 taona asa an-terivozona am-ponja no azon’ity telo lahy. Tsy iza izany, fa ingahy isany : Lambo – Soja – ary Damy. Ny volana janoary taorian’ny fetin’ny taom-baovao ny 10 janoary 2017 no nitranga ny vono olona ity, narahana halatra izay rehetra hitany tao an-trano. Enin-dahy izy ireo tamin’izay, fa ny telo aloha ity tratra ity, ilay maty kosa mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina efa misotro ronono, ary ny vady aman-janany voaolana avokoa tamin’izay. Izay no nahatonga ny polisy ny Fip tamin’izay fotoana izay nikaroka ny porofo rehetra momba ireto andian-jiolahy ireo, ka ny kapa “kiranyl” nanaovany, tamin’izy ireo no nanamora ny fanarahan-dia ka nahasamborana azy telo lahy ireo. Ankoatra izay, nandritra ny fitsarana ny raharaha tao anatin’ ny resaka an-jorony samy mpiatrika didy no nahafantarana,fa ity Soja ity no isany nitifitra ilay mpiasan’ny kaominina avy naka vola karaman’ny mpiasa ny taona 2014. Raha ny didy tapaky ny mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy miaraka aminy mandray ny fanapahan-kevitra, dia io 10 tao asa an-terivozona am-ponja izany aloha ny sazy nivoaka ny fahitana azy 03 lahy ambiny mbola tsy hita.
Malala Didier