- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-DiversImeritsiatosika : Lehilahy nanolana vehivavy marary saina tao amin’ny hôpitaly

Imeritsiatosika : Lehilahy nanolana vehivavy marary saina tao amin’ny hôpitaly

Vehivavy iray nitsabo tena tao amin’ny hôpitalin’ny marary saina tao Imeritsiatosika no niharan’ny fanolanana, ny faran’ny herinandro teo. Ny nanao ny asa ratsy teto dia tsy iza fa vadina mpitsabo miasa ao amin’io hôpitaly io, araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy izay misahana ny raharaha. Nosamborina avy hatrany moa ity farany.

Araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia sendra irery niaraka tamin’ity vehivavy ity io lehilahy io. Tamin’izay no nitsiry ny hevi-dratsin-dranamana ny hanampatra ny filan-dratsiny amin’io vehivavy, izay fantatra fa manana aretin-tsaina io.

« Araka ny fantatra dia miasa ao amin’io hopitaly io ny vadin’ity lehilahy ity ka tonga maka ny vadiny any foana izy. Nisy fotoana anefa taraiky ilay rangahy naka ny vadiny ary efa lasa nody ity farany. Tamin’izay fotoana izay no sendra tafaraka samy irery tamin’ilay vehivavy manaraka fitsaoboana tao amin’ny hopitaly ity lehilahy ity ka notereny nanao firaisana taminy ilay vehivavy » hoy ny fampitam-baovao azo. Noheverin’ilay rangahy angamba fa marary saina ilay vehivavy ka hanadino ny nihatra taminy sy tsy afaka hitantara izany. Diso hevitra tanteraka anefa ny anao lahy. « Notantarain’ity vehivavy ity tamin’ny mpitsabo azy ny zavatra nanjo azy tao ary ireto farany no niantso ny polisy ». Satria moa mora ny nahafantatra ity rangahy ity ka dia noraisim-potsiny ny lehilahy. Ny alatsinainy teo izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici