Nitrangan-dozam-pifamoizoizana nahafatesana olona indray,tao an-tampon-tanànan’ Antsiranana, teo amin’ny toerana antsoina hoe : « Sary masina Scama », afak’omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora, ka lehilahy iray nitondra môtô Honda nanao taingin-droa no maty tsy tra-drano rehefa voafaokan’ny fiara Mazda miloko fotsy manao zotra rezionaly mampitohy an’ Ambilobe sy Antsiranana. Raha ny vaovao voaray, dia niparitaka teny an’arabe ny atidohan’ilay mpitondra môtô, raha naratra mafy mbola miady fatratra amin’ny fahafatesana kosa amin’izao ilay namany niara-nitaingina môtô taminy; izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly CHU Tanambao. Tsy nijanona kosa fa nirifatra nandositra ilay fiara nandona nahavanon-doza, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao. Raha ny fahitan’ireo nanatri-maso ny loza, dia samy nandeha mafy na ilay fiara na ilay môtô.
Eric Manitrisa