- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversDinabe Atsimo-Andrefana : Sambory ireo mpiaro an’i Jaonary eto Antananarivo

Dinabe Atsimo-Andrefana : Sambory ireo mpiaro an’i Jaonary eto Antananarivo

Manoloana ny filazana ataon’ireo olona miaro an’i Jaonary amin’ny haino amanjery dia niantso ny mpanao gazety, ny Alahady teo, ireo mpitarika ny Dinabe Atsimo Andrefana izay notarihan’ny filoha lefitra Nantenaina BRANCO mba hilaza ny zava-misy marina mikasika ireo omby 1500 nogiazan’ny miaramila mpampandry tany tao Antanimeva Morombe. Nanamafy ireto olona ireto fa tena lehiben-dahalo tokoa i Jaonary. Tsy marina ny filazana fa tsy nanara-dàlana ny fomba namerenana ireo omby hita fa halatra tao amin’ny valan’i Jaonary. Natao araka ny fitsipika anatiny mifehy ny Dinabe izay nahazo fankatoavana tamin’ny fitsàrana ary natrehan’ny manampahefana mahefa any an-toerana ny kabary sy ny fanavahana ireo omby ireo. Nampiseho ny porofo rehetra maha omby halatra ireo omby tao amin’i Jaonary ireto mpitarika dina ireto nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity. Nambaran’izy ireo fa andian’olona isan’ny karohina any amin’iny faritra iny, noho izy ireo voaporofo fa mpiray tsikombakomba amin’i Jaonary, ireto olona mitabataba amin’ny haino aman-jery eto Antananarivo ireo. Tsy vitan’ny manenjika sy manaratsy ireo miaramila manao ny ainy tsy ho zavatra any amin’iny faritra Atsimo Andrefana izy ireo fa mbola mandranitra adim-poko ihany koa. Nambaran’izy ireo fa mpisandoka ilay olona iray nilaza fa mpikambana ao amin’ny Dinabe nandritra ny nisehoan’izy ireo tamin’ny fahitalavitra iray. Noho izany dia miangavy ny mpitandro ny filaminana ireto mpitarika ny Dinabe Atsimo Andrefana mba handray andraikitra ka hisambotra ireo olona miaro an’i Jaonary ka miriaria eto Antananarivo ireo. Koa manome herinandro ny mpitandro ny filaminana izy ireo hanantanterahana izany, fa raha tsy izay dia izy ireo no hanao izany. Nisaotra ny Praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta  miandraikitra ny filaminana izay tonga tany an-toerana nijery ifotony momba ity raharaha ity izy ireo ary manantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana mba hamerenana ny fandriampahalemana any amin’iny faritra Atsimo iny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici