- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-Divers« Village touristique » Mahajanga : Taova nampiahiahy, nampisahotaka ireo olona

« Village touristique » Mahajanga : Taova nampiahiahy, nampisahotaka ireo olona

Nampihoron-koditra. Tsy nisy nofo, tsy nisy hoditra intsony fa ireo taova rehetra ao anaty no hitan’ny olona teo amin’ny tora-pasiky ny « village touristique » tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny sabotsy lasa teo. Taitra sy nisahotaka avokoa ny rehetra nahita ity tranga tsy dia fahita ity, indrindra fa maro ireo olona no nandehandeha teny an-toerana tamin’io fotoana io. Niely teo no ho eo avy hatrany mantsy ny feo fa hoe taovan’olona sendra nisy nanipy na nentin’ny ranomasina teo izy ireo. Teo anatrehan’izany, dia nidina teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana niaraka tamin’ireo mpitsabo avy ao amin’ny Sampan-draharaha monisipaly misahana ny fahadiovana tany an-toerana. Rehefa natao ny fitiliana, dia voamarina fa tsy taovan’olona velively izy io, na dia mitovy tsy misy valaka amin’ireo sarina taova ianarana any am-pianarana aza ny endriny. Araka ny fampitam-baovao nomen’ireo namana avy any an-toerana izay nanao fanadihadiana, dia voalazan’ireo mpitsabo, fa « tsy mitovy velively amin’io ny taovan’olona, indrindra moa ny tsinay kely. Ambonin’izay dia misy « poche » hafahafa eo aminy ; izay marihana fa tsy hita amin’ny taovan’olombelona ». Nandiso avy hatrany ny filazana sy ny tsaho naely araka izany ireo tompon’andraikitra fa tsy taovan’olona velively izy io fa mety ho hazandranomasina, izay mbola tsy fantatra hatreto. Ankoatr’izay, araka ny fanazavana azo tamin’ny namana tany an-toerana ihany koa dia tsy navela  teo amin’ny toram-pasika izy io, fa nentina mpanjono avy any anivon-dranomasina any. « Hitan’ity farany nitsingevana teny ambony rano izy io ary nentiny fotsiny mba hoe haseho ny olona ».

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici