- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnkasina : Mpanendaka anaty fitohanana nosamborin’ny fokonolona

Ankasina : Mpanendaka anaty fitohanana nosamborin’ny fokonolona

Raha tsy nisy ny firaisan-kinan’ny fokonolona nisambotra ity mpanendaka iray teny amin’iny faritra Ankasina, dia efa tany dia tsy hita intsony indray ny entan’ity vehiavy iray, lasibatra tanaty fitohanana. Raha ny fanazavàna azo tamin’ny pôlisy dia « efa ela no narahin’ilay mpanendaka maso ny findain ity vehivavy anaty fiara fitaterana ity ka rehefa hitany fa nisokatra ny fitaratr’ilay fiara nisy ilay vehivavy dia avy hatrany dia nosintominy ilay finday teny am-pelantanan’ilay vehivavy ». Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro no nitrangan’ity trangana fanendahana ity tetsy  « amin’ny mpanao lavage Ankasina nandritran’ny fitohanan’ny fiara lavareny manodidina ny faritra 67ha iny ». « Raha iny nikasa saika handositra iny ilay mpanao sinto-mahery dia nisy olona nandona azy ka nianjera ity farany ary noraisim-potsin’ireo fokonolona »  hoy ny vaovao. Rehefa nentina teny amin’ny biraon’ny pôlisy natao fanadihadiana ity mpanendaka ity dia fantatra fa isan’ireo mpanendaka rain-dahiny, nampikaika ireo mponina teny an-toerana ranamana. Efa maro ireo nataony lasibatra tamin’izany, indrindra moa ireo mpandeha fiara.

Efa sakafo andavanandron’ny mponina eto an-drenivohitra tokoa ity resaka fitohanan’ny fiara ity tato ho ato. Indrindra moa fa ho avy izao ny fety aman-danonana isan-karazany dia asa fotsiny e. Fa ny fahorian’ny sasany tokoa, fifalian’ny hafa, indrindra fa ireo mpanao ratsy. Vahaolana ? Fandrasain’andraikitra avy amin’ny tsirairay toy izao nataon’ireo fokonolona teny Ankasina ihany. Ekena mantsy fa miasa ireo mpitandro filaminana mametraka ireo paik’ady isan-karazany hisamborana ireo mpanao ratsy saingy aza adino izy ireo tsy afaka hanara-maso tsirairay ny elakelaky ny fiara mitohana sy ny elakelan-trano rehetra any.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici