Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray tao an-tampon-tanànan’ Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia, afak’omaly naraina, tokony tamin’ny 11 ora teo, ka raim-pianakaviana iray miasa ao amin’ny Foibem-paritry ny ala, izay nitondra moto no maty tsy tra-drano nodomina taksiborosy, tao Bazary kely Ambalabe, akaikin’ny mpivarotra akoho. Handeha haka ny vadiny any Ambalavelona ity lehilahy ity no tra-doza teny an-dalana izao. Raha ny vaovao voaray, taksiborosy zotra nasionaly iray avy eto Antananarivo hiazo an’ Antsiranana izay nandeha mafy nirimorimo be no nifaoka « moto cross » nijanona. « Niandry ny handehanan’ny fiara tsy mataho-dalana iray nijanona teo alohany ilay mpitondra moto, satria mbola niresaka tamin’olona ny mpamilin’io 4×4 io. Nisosososo be avy any ilay taksiborosy izay tsy nijanona akory, fa tonga dia nanitsy tany amin’ity lehilahy nitondra moto », hoy ireo mpivarotra akoho teo amin’ny manodidina nanatri-maso ny loza. Raha ny nambaran’ireo mpandeha tao anatin’ity taksiborosy namoa-doza ity kosa : « Efa hatrany ampiaingana sy teny an-dalana no efa nandeha mafy sy nisetrasetra ny mpamilin’ity fiara Sprinter ity ». Araka ny vaovao voaray hatrany, mizahozaho sy mirehareha fatratra ity mpamily nahavanon-doza, ary nilaza fa manana olona ambony mpiaro azy hono, ka tsy miraharaha izay lalàna velona misy. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, ka ho arahintsika eto ihany ny tohiny sy ny vokatry ny fanadihadiana.
Eric Manitrisa
Midongy Atsimo : Rongony 25 kg tra-tehaka
Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitra-po, ka nandritra ny fisafoam-paritra nataon’ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’ny Zandarimaria Midongy Atsimo, mba hitandroana ny filaminana mandritra ny fety. Ny alin’ny 31 desambra hifoha ny alarobia taom-baovao 2020 teo, dia rongony nilanja 25 kg izay noentin’ olona roa lahy no tra-tehaka, tao Antanifotsy, Kaominina Nosifeno. Raha ny vaovao voaray, tafaporitsaka nandritra ny fisamborana azy ireo roa lahy nitondra ireto daigna (rongony), ka mbola karohina fatratra hatramin’izao. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fahatratrarana an’ ireto rongony roa gony mahery, dia nodorana afak’omaly teo anatrehan’ny Lehiben’ny Distrika sy ny mpitondra any an-toerana ireto zava-mahadomelina sarona.
Eric Manitrisa
Farafangana : Zazavavy fito taona naolan-drainy
Efa miha biby ny olona sasany ankehitriny. Raim-pianakaviana iray no nanolana ny zanany vavy kely naterany, tany Etrotroke Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Etrotroke, Distrikan’ny Farafangana, ny andron’ny taom-baovao teo. Raha ny vaovao voaray, dia simba tanteraka ny fahadiovan’ilay zaza vao fito taona monja naolan-drainy. Araka ny fitantaran’ny renin’ ilay zaza, efa nisaraka tsy miray trano intsony izy sy ny rain-janany. Ny 01 janoary teo, nandalo namangy an-janany ity raim-pianakaviana. « Tsy tao an-trano aho tamin’io fotoana io, ka nanararaotra nanao ny filan-dratsiny mamohetra tamin’ity zanako tsy manan-tsiny rangahy. Rehefa tonga aho dia nitaraina maharary mafy teo amin’ny fifaviany i Z., nanontaniako izy ary niteny hoe : Nanaovan’ny iabako kivadivady iaho mama da maharary ».
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Taorian’izay, nanaitra avy hatrany ny Fokonolona teo an-tanàna ity reny mananontena ity, ka vory ny vahoaka. Voasambotra ilay ray voatondro nanolana an-janany, ka saika hataon’olona fitsaram-bahoaka, nefa nandrara izany fihetsika izany ny lonaky (Raiamandrenim-be to teny an-tanàna), ary niantso zandary. « Ny alakamisy teo izahay mianaka no tonga teto amin’ny hopitaliben’ i Farafangana. Noho ny tsy fisiam-bola dia ny asabotsy hariva teo vao natao ny fadidiana an-janako. Isaorako ny eo anivon’ny Foibem-paritry ny Mponina Atsimo Atsinanana nandray an-tanana ny lany amin’ny fitsaboana, ary ny olona niantra anay mianaka mikarakara sakafo sy nampandre ny tompon’ andraikim-panjakana », hoy ny renin’ilay zaza latsa-dranomaso. Raha loharanom-baovao azo farany akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia androany na rahampitso talata farafahatarany no hatolotra ny Fampanoavana ity ray nahavanon-doza.
Eric Manitrisa
Mananara Avaratra : Namono zaza roa taona, matin’ny fitsaram-bahoaka
Vao nigadona ity taona vaovao 2020 ity, dia efa nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’i Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, tovolahy iray no namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny zanaka anabaviny vao roa taona monja, afak’omaly, tao Ambodimampay. Noho ny vely vatan-kazo sy tora-bato nihantra taminy, dia maty tsy tra-drano ilay zaza. Raha vao nahare ny loza ny Ray aman-drenin’ilay zaza, dia romotry ny hatezerana, ary nikaroka an’ilay tovolahy nahavanon-doza. Voasambotra ity farany, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, ary namoy ny ainy ihany koa.
Eric Manitrisa