
Omaly maraina no hita ny fatiny ; izay natsingevan’ny rano ary tao anaty faritra misy honahona. « Somary nananosarotra ny làlana nahatongavana teny amin’ilay toerana nisy ny loza, satria tsy maintsy nandeha lakana ny polisy izay vao tonga teny » raha araka ny fanazavan’ny polisy izay niara-nisalahy tamin’ny fokonolona tamin’ny fampiakarana an-tanety ny razana. Vehivavy 26 taona izay efa namoy ny ainy io hita tetsy Andraharo io. Tsy tafiditra tao anatin’ny fanisana ofisialy izay nivoaka ny alin’ny alarobia teo izy, satria omaly vao hita. Dimy izany no namoy ny ainy teto An-drenivohitra tao anatin’iny oram-be iny. Nisy ny nihotsahan’ny rindrina, nisy ny main’ny herinaratra, nisy koa ny lasan’ny rano ary nisy ny maty an-drano. Ankehitriny dia lasa loza manambana tanteraka ho an’Antananarivo ny orana izay fifaliana tany aloha tany ny fahatongavany noho ny antony voajanahary. Tsy zakan’ny Renivohitra intsony ny fitomboan’ny olona sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izay. Be loatra ny trano, ary ny làlana izay hivarinan’ny rano dia saika tsy misy intsony amin’ny faritra maro. Nijanona tamin’Andriantany ny lakan-drano lehibe eto an-dRenivohitra. Torak’izany koa, Masay, Anosy, Anosizato ary Ambodimita ihany no fivarinan-drano alohan’ny hamonjeny ny reniranon’Ikopa sy Imamba. Izy ireo; izay na efa tsentsina tsy mahazaka intsony ny rano izay mitobaka ao. Dia izay rehetra izay no mitarika ny fiakaran’ny rano ao anatin’ny fotoana fohy eto amin’ity Renivohitra ity. Loza manambana tanterakaho an’Iarivo ny fisian’ny orana raha oharina tamin’izay niseho ny alarobia teo. Hatreto aloha dia ny làlana no mahamaika fa tsy nisainana firy kosa ny fivarinan-drano. Vokany dia eo ambony làlana tsara tarehy mihitsy no nidongy ny rano. Sempotra ny Renivohitra ary misy akony mivantana amin’ny fiainan’ny mponina ao aminy izany. Ary raha manorina lakan-drano hafa amin’izay fa tsy mijanona amin’ireo efa nataon’ny mpanjaka ireo, rehefa samy tsy hiala eto ihany? Mba tokony hamoaka ny heviny amin’izay ny manam-pahaizana amin’ny fanajariana ny tanan-dehibe, fa tsy mitazam-potsiny ny firodanan’ity Renivohitra ity.
D.R