Efa ela nampitondra faisana ireo tanàna maro tany amin’iny distrikan’Ikalamavony raha ireto dahalo ireto, fantatra amin’ny anarana hoe Zafimena sy Zafiporaka. Nifanehatra ary maty voatifitr’ireo miaramila avy ao amin’ny Zrps Alpha 2 izy ireo, ny alakamisy lasa teo, rehefa “tsy mihemotra ny tafika malagasy fa miroso hatrany amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-dahalo any amin’ireo faritra mena”. Tao amin’ny fokontany Antetimanondro, kaominina Fanjakana, distrika Ikalamavony moa no nisehoan’ny fifandonana tamin’io andro io. Raha ny fanazavàna azo dia efa am-bolana maromaro no nikarohana azy roa lahy ireto. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao isan-karazany no nahahafan’ireto miaramila niroso hatrany, tamin’ny hazalambo natao. Ary dia izao niafara tamin’ny fifandonana ka nahafaty azy ireo, tsy ahafahan’izy ireo manohy ny asa ratsiny intsony. Tao anatin’izany moa dia fantatra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany fa nisy omby nahatratra teo amin’ny 28 isa ihany koa tafaverina soamantsara tamin’ny tompony, izay teny am-pelatanan’ireo malaso ireto. “Efa nahitam-bokany sy azo tsapain-tanana izany ary mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo miaramila miparitaka ao anatin’ireny ZRPS (Zone rurale prioritaire de sécurité), mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa hatrany”, hoy hatrany ity fampitam-baovao avy amin’ny Tafika malagasy ity.
Fa ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nisy ny fifandonan’ireo mpitandro filaminana : miaramila sy zandary, tamin’ny dahalo avy nanafika, tany amin’ny kaominina Ifotaka, distrika Amboasary Atsimo iny ny herinandro teo. Miisa folo izy ireo, hoy ny angom-baovao azo. Taorian’ny fifandonana dia voalaza fa nisy efatra tamin’ireto malaso ireto no maty voatifitra, raha ny iray tamin’izy ireo kosa no azo sambo-belona. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo sisa ambiny, izay tafatsoaka. Ilay voasambotra kosa dia efa eo am-panavaona ny famotorana azy ireo tompon’andraikitra amin’izany, ary hatolotra ny Fitsaràna rehefa vita izany.
m.L