
Tamin’ny taona 2003 no niorina manerana ny nosy ny fikambanana ara-pambolena “ tranoben’ny tantsaha “. Niainga tany amin’ny komina ny fisiany ary nipaka hatrany anivon’ny faritany. Fikambana na azo lazaina fa tokony hatanjaka tokoa izy ity , satria ny 85% ny mponina eto amintsika dia tantsaha mpamboly avokoa; saingy tsy nisy rafitra maty paika nifehy azy . Niova in-telo ny anaran’ny fikambanana torak’izany koa ny sata nifehy azy , vokatr’izany tsy fiorenam-pototra izany dia nisy ny mpikambana nihoa-pefy. Manoloana an’izany ny toe-javatra izany dia nifamory tetsy amin’ny lIsea misahana fambolena teny Ambatobe omaly ny mpikambana rehetra manerana ny nosy notarihin’ny filohany Rtoa Razafimbololona Angeline . Tapaka tamin’izany fa tsy maintsy mpamboly avokoa ny mpikambana rehetra ao ka tsy tokony hitsabatsabahan’ny olona misehatra amin’ny zavatra hafa. Niova ny anaran’ny fikambanana ka lasa “association d’utilité publique -AUP”na fikambanana mikendry ny tombontsoan’ny daholobe . Natao izany mba hahamora ny fifandraisana amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’ antoka rehetra na avy eto an-toerana na avy any am-pita. Manoloana ny fitsitonganan’ny vidim-bokatrin’ny tantsaha sy ny fiakaran’ny vidim-piainana dia hita fa fefika ny tantsaha; koa heverina fa ny fanomezana hasina sy ny fametrahana amin’ny tokony ho izy ny fikambanana toa itony dia sehetra azahoana miaro ny vidim-bokatra tsy hitsitongana.
Vaovao ny taona ary heverina fa hitondra ainga vaovao ho an’ny tantsaha rehetra manerana ny nosy izao fivoriana izao, ary hitondra fahombiazana ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana eo amin’ny fanjakana foibe sy ny fikambanana .
NARY Ravonjy