- Publicité -
lundi 27 mars 2023
DomicileFaits-Divers“Jiolahy roa” voatifitra tao Ambalakisoa Toamasina I : Samy manana ny ambarany ny...

“Jiolahy roa” voatifitra tao Ambalakisoa Toamasina I : Samy manana ny ambarany ny zandary sy ny fianakavian’ny maty

“Tsy afaka ny hitsitsy intsony izahay izao amin’ity firongatry ny asan-jiolahy eny amin’ny fokontany maro eto Toamasina ity”, izay no nambaran’ny zandarin’i Toamasina nanome ny heviny amin’ity firongatry ny fanendahana sy vaky trano ary fanafihana samihafa. Ny zoma 17 janoary alina nifoha ny sabotsy 18 janoary  tokony ho tamin’ny 01ora maraina, dia nifanehitra tamin’ny zandary manao fisafoana ireto andian-jatovo mpanendaka sy mpanao fanafihana tao Ambalakisoa Toamasina I. Voalazan’ny zandary nanao hetsika, fa teo am-panendahana sy fanafihana olona dimy, vehivavy  2 sy lehilahy 3, tratra alina hamonjy fodiana izy roa lahy ireo no nifanehitra tamin’izy ireo tampoka. Raha ny fanazavan’ny zandary, dia mbola tratra teny amin’izy roa lahy ny antsy be fampiasany amin’ny fanendahana sy fanafihana fanaon’izy ireo. Efa nasaina nijanona tamin’ny poa-basy tifi-danitra ihany izy roa lahy, saingy mbola niezaka ny nitsoaka ihany; ny andro moa maizina ka voatery nitifitra ny zandary ka maty tsy tra-drano izy roa lahy voalaza fa mpanendaka ireto. Raha naka ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly be kosa ireo fianakaviany ny sabotsy maraina tamin’ny 08ora, dia nilaza fa tsy jiolahy sy  mpanendaka izany ny havan’izy ireo, fa tratra alina tahaka ireo olona 5 nilaza ho nendahany ireo ihany koa. Raha ny fanazavana hatrany, dia mbola mpianatra izy mirahalahy zanaka mpirahalahy ao Morarano Analakininina ireto. Ankoatra izany, dia milaza ny hampiasa ny lalàna misy momba ny nahafaty ny havany ireo fianakavian’ny maty ireto; hampiasa ny lalàna koa ny zandary raha ny filazan’ny Komandin’ny Vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana. Ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici