Rehefa nahazo antso vonjy tamin’ny mponina ny miaramila, mahakasika ny fanafihan-dahalo nitranga tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Andabotoka Distrikan’i Maintirano, dia tonga ara-potoana ireo mpampandry tany, ka dahalo raindahiny iray nitam-basy no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 18 avy nangalarina, afak’omaly. Efa am-pelatanan’ny zandary atao famotorana ankehitriny ity dahalo tra-tehaka ity, raha mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fikarohana an’ireo namany tafaporitsaka. Ireo omby very kosa, raha ny vaovao voaray, dia efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa amin’izao. Ary ireto andian-dahalo mitam-piadiana ireto no voalaza, fa tompon’antoka tamin’ny halatra omby 30, niaraka tamin’ny zanany, tao amin’ny Kaominina Andrea, Distrikan’i Maintirano, ny 24 desambra lasa teo.
Eric Manitrisa