- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMpisandoka anaty « facebook » : Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany ilay...

Mpisandoka anaty « facebook » : Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany ilay mpanolana

Efa jiolahy rain-dahiny ka mendrika azy, hoy ny rehetra ny eny… Efa somary harivariva ihany vao vita ny fihenoana ity jiolahy rain-dahiny ity, nataon’ ireo mpitsara mpanao famotorana ny afak’omaly. Niafara tamin’ny fandraisana fepetra ny nandefasana azy avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy moa izany, mandra-piandry izay fotoana hitsarana azy. Tsiahivina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, fa efa ela nokarohina ity olon-dratsy ity, satria dia efa maro dia maro ireo olona lasibany tao anaty tambazotra sosialy. Miafina ao ambadikana « compte fake » maromaro mantsy ingahirainy, hanjonoany ireo hazany. Ary rehefa tafiditra anaty haratony dia « ataony mahita sary avokoa », araka ny fitenin’ny tanora, ka na io voaendaka, raha lehilahy na io voadaroka sy voaolana, raha vehivavy. Marihana, fa toa tsy izy irery ihany no lasa manao izany asa ratsy izany, raha ny tranga sy fitarainana hita ao anaty FB ao. Indrisy tokoa, fa lasa zohy fieren-jiolahy ihany koa amin’izao ny aterineto sy tambazotra sosialy. Mila mailo a!

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici