Nanao fitokonana teo amin’ny “gare routière” ireo mpamily “taxi brousse” manao ny zotra rezionaly sy zotra nasionaly, ny sabotsy teo. « Mpamily Toamasina taxi brousse, à » volana tsy nampiasaina, tsy tantinay intsony, ampy izay, sokafo no lalana », izay no sorabaventy narantin’izy ireo teo amin’ny “gare routière “ny sabotsy teo nandritra ny hetsika nataon’izy ireo. Nahitana ireo: mpamily, mpanampy ny mpamily, mpitaona entana, mpitady mpanjifa, ary mpiasa amin’ny « guichet », izy ireo no nitokona sy nanao ity hetsika ity ny sabotsy teo. Ho an’ny mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-05 mihazo an’i Fenerivo atsinanana – Soanierana Ivongo iny, dia nilaza izy ireo fa « 03 volana izahay tsy niasa, tsy nangataka na nitaky tamin’ny fanjakana omena fanampiana izany hatramin’izay. Mitaky izy ireo ny tokony hataon’ny fanjakana amin’ izy ireo izao, fa efa tena an-dohalika ny ranombary, amin’ny tsy fahampiana intsony iainany ». Nanamafy izany koa ireo mpampiasa ny làlam-pirenena RN44 mihazo an’Ambatondrazaka sy ny manodidina azy rehetra iny, ka nilazany, fa « fangatahana ho fanokafana ny làlana ny tanjon’izy ireo amin’ireo solon-tenam-panjakana, fa efa mijaly loatra izy ireo sy efa lava ny fihibohana natao izay ». Ny tena olana ho an’ireo mpitatitra olona ireto, dia ny famadihana ny fiaran’ny mpitatitra olona hitatitra entana; midona amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo vokatra izany, na efa ezahana arahina aza ireo fepetra rehetra nambara amin’ny fampiasana fiara hitatitra entana. Ankoatra izany, dia nambaran’ireo mpamily sy ireto mpitokona teo amin’ny “gare routière” ireto kosa, « apetraho ireo fepetra tianareo hapetraka amin’ny mpamily tsy maintsy harahina ho an’ireo te hiasa, fa hotanterahanay an-tsakany sy an-davany izany », hoy ireto mpitatitra eto Toamasina ireto.
Malala Didier