- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBetroka : Fokontany iray saika hifanandrina tamin’ny miaramila

Betroka : Fokontany iray saika hifanandrina tamin’ny miaramila

Voatery nitifitra fampitandremana mihitsy ireo miaramila avy amin’ny Zrps Alpha 12, any amin’iny distrika Betroka iny, ny mba hametrahan’ireo fokonolona amina tanana kely iray ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanan’izy ireo. Efa saika rà nandriaka no niseho saingy soa ihany …

Ny zava-nisy : ny herinandro lasa teo, dia nisy fanafihan-dahalo nivaivay tao amina kaominina iray any amin’iny distrika Betroka iny. Omby efatra no voalaza fa lasan’ireo olon-dratsy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ireo fokonolona tao an-toerana ary hita, hoy ny fampitam-baovao, fa nijanona tao amina tanàna iray antsoina hoe Sakasoa, ao amin’ny kaominina Ianabinda ireo dian’omby. Nangataka fanazavana tamin’ireo mponina tao araka izany ireto mpanara-dia, saingy voalaza fa « vava-basy avy hatrany, niaraka tamin’ny fandrahonana ho faty » no niandry ireto farany. Hany herin’izy ireo, rehefa tsy afa-nanohitra ireto mponina mitam-basy ireo mpanara-dia, dia nila vonjy tany amin’ireo miaramila mpampandry tany tany an-toerana. Nidina avy hatrany tany amin’io toerana io ireo mpitandro filaminana, saingy vao telo kilaometatra monja tsy hidirana ny tanana dia niandry sy nihantsy ireto miaramila tamin’ny basy sy fitaovam-piadiana isan-kazazany ireo mponina tao amin’io tanana io. Efa saika raikitra ny fifandonana, saingy mbola nanao izay fara-heriny nandresy lahatra ireo mponina ny mba hametrahana ireo fitaovam-piadiana ireto miaramila. Tonga mihitsy tamin’ny fanaovana tifitra fampitahorana sy fampitandremana moa izany, ka dia nilefitra ihany ireo mponina. Naorona avokoa ireo basy teny am-pelan-tanan’ireo mponina ka nosavaina ny taratasy. Ireo tsy nisy izany, tonga dia nogiazana avy hatrany. Mahakasika ireo olona nitana izany basy tsy ara-dalàna izany kosa, dia nentina natolotra ireo mpanao fanadihadiana. Anisan’ireo olona ireo moa ireo sahy nikomy sy nandrahona ireo tompon’omby mpanara-dia. Basim-borona sivy, niaraka tamin’ny basy vita gasy roa ary basy « revolver » iray no azo teny am-pelan-tanan’izy ireo tamin’io fotoana io. Marihana, fa niaiky tanteraka ny fahaverezan’ireo omby tao amin’io tanana io ireo mponina ary efa natao ny fomba amam-panao mahazatra amin’izany. Efa naverina ireo omby efatra nangalarina ary mbola nampiana 16 hafa izany ho fanonerana ny heloka nataon’izy ireo.

Ankoatr’ireo fitaovam-piadiana ireto , dia fantatra fa nisy basim-borona tsy ara-dalàna telo hafa ihany koa sarona tany Ivahona, ary nanampy ireo ny ody gasy iray gony azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici