Natolotra ny fampanoavana omaly, ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. « Efa ela izy no nitsiriritra ilay ankizy vavy ka rehefa tratrany tany amin’ny toerana mangingina ity farany dia nanamparany ny filan-dratsiny. Taorian’ilay fanolanana nahazo ilay ankizy vavy dia nalain’io tovolahy io sary izy ary dia iny sary iny no nentiny nandrahonana azy mba tsy hiteniteny amin’ny ray aman-dreny ary hanaiky hatrany ny sitrapony isaky ny mitady firaisana ara-nofo aminy izy, raha tsy izany dia haparitany any anaty « facebook » ireo sary ireo », raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana an’i Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Izay rahateo no namaritra ny fomba ratsy nentin’ity tovolahy 23 taona; izay nenjehina ara-pitsarana noho ny fanolanana sy fanaparitahana sary mamoafady tamin’ny tambajotra sosialy. Ireo heloka roa ireo, dia sazian’ny lalàna avokoa ary samy mampigadra. Ankizivavy 16 taona no niharan’ireo asa ratsy ireo. « Taty aoriana, dia nisafidy ny hivoaka tamin’ny fahanginana ilay tovovavy ary dia tsy nanaiky ilay tovolahy intsony. Vokatr’izany ary, dia naparitak’ilay tovolahy tany anaty tambazotra ireo sary mamoafady » raha araka ny tatitry ny polisy hatrany. Isan’ny nahita izany ny ray aman-drenin’ilay tovovavy ary nitory avy hatrany tao amin’ny polisy misahana ny heloka amin’ny aterineto na « cybercriminalité ». Nanao ny fanadihadiana sy ny fitadiavana ilay tovolahy ny Polisy ka tra-tehaka tetsy Sabotsy Namehana ity mpanolana ity. Niaiky ny helony izy ary rehefa natolotra ny fitsarana, dia naiditra am-ponja any Antanimora. Ankehitriny dia efa misy ny laharana maitso, misokatra amin’ny olom-pirenena, ho an’izay mahita tranga herisetra atao amin’ny ankizy tsy ampy taona. Ny laharana 147 no ahafahana mampita ny vaovao. Torak’izany koa, azo atao ny manao fitorohana ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana « Arozaza ».
D.R