- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMaroantsetra : Mpangalatra lavanila saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Maroantsetra : Mpangalatra lavanila saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy  roa voarohirohy tamin’ny resaka halatra lavanila no indray nampidirina am-ponja vonjimaika, ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra rehefa natolotra ny Fitsarana ny Alarobia lasa teo. Ny alahady sy ny Alatsinainy teo izy ireo no voasambotry ny polisy rehefa nokarohina noho ny halatra lavanila nisesisesy, tao amin’ny fokontany maromaro  tao amin’ity distrika ity. Polisy mpanao fisafoana no nahasambotra lehilahy iray, 34 taona efa fanta-daza amin’ny  vaky trano sy halatra lavanily tamin’io alahady  28 jona io. Ity lehilahy ity izay efa nokarohin’ny polisy noho ny fandraisany anjara tamina halatra mitam-piadiana tao amin’y fokontany Ambodirano, kaominina ambanivohitra Voloina ao Maroantsetra. Lavanila efa maina milanja 200 kilao no very nandritra izany fanafihana izany.

Ny alin’ny alatsinainy  29 jona 2020, dia voasambotry ny fokonolona teo am-pangalarana lavanila maitso tao amin’ny fokontany Vodiriana ao Voloina, Maroantsetra ihany koa ny lehilahy iray hafa, 31 taona. Lavanila maitso milanja 6.4 kilao moa no tra-tehaka teny amin’ity lehilahy ity. Ary efa saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy raha tsy tonga ara-potoana ny Polisy. Noho ny ratra nahazo azy moa dia nentina namonjy toeram-pitsaboana ralehilahy, nialoha ny hanaovana famotorana azy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici