- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbatofotsy-Maevatanàna : Jiolahy telo mitam-basy nandroba épicerie

Ambatofotsy-Maevatanàna : Jiolahy telo mitam-basy nandroba épicerie

Nitatatata indray ny feom-basy tetsy amin’ny fokontan’Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany, ny Alatsinainy 06 Jolay lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo no niseho ny fanafihan-jiolahy tao amin’io fokontany voalaza etsy aloha io. « Epicerie iray, » no lasibatra. Nofaohin’ireo malaso ny vola mitentina telo hetsy ariary tao. Raha ny fantatra dia telolahy no namita ny asa ratsy. Ny roa tamin’ireo mitam-basy ny anakiray kosa nitondra sabatra lava. Nitaky vola tao amin’ilay tsena izy ireo vao tonga. Nambanan’ny basy ilay ramatoa ka tsy afa-nihetsika,raha tafatsoaka nitsabikina teny ambony varavarakely kosa ilay rangahy vadiny. Lasa tamin’izany ny vola maty rehetra tao. Vetivety monja ny fanafihana. Lasa nitsoaka ireo jiolahy ireo sady nananapoaka basy. « Nirefodrefotra ny basy tety. Nandositra nianavaratra nanaraka Banja izy ireo. Tsy nisy nanao saro-tava ihany koa ry zalahy fa samy nanao satroka mba hanakomany ny endriny avy, »  araka ny fitantarany Rtoa « Laguette » hatrany izay niaraboina. Taorian’izay no tonga nanao ny fanenjehana ny Zandary efa-dahy, saingy efa tsy tratra intsony ireto mpanao ratsy. Mandeha ny fikarohana ny raharaha. Efa any am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny tohiny.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici