- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbatomirahavavy : Tafaverina amin’ny tompony ireo omby tratra tao amin’ny kizo Amerikely

Ambatomirahavavy : Tafaverina amin’ny tompony ireo omby tratra tao amin’ny kizo Amerikely

Ity vokatra azon’ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambatomirahavavy ity dia mbola manaporofo indray fa rehefa misy ny fiaraha-mientana eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana dia tsy ho sarotra ny manafongotra ireo asan-jiolahy tsy mitsaha-mitombo ankehitriny. Ny Sabotsy 4 jolay lasa teo dia nisy omby 5 azon’ny fokonolona sy ny zandary teo ampelatan’ny dahalo tao amin’ny Fokontany antsoina hoe Imerikanjaka. Nisy fifandonana moa teo amin’ireo dahalo izay miisa 5 sy ireo mpitandro filaminana tamin’io fotoana io raha nifanehatra tao anatin’ny kizo antsoina hoe Amerikely ny roa tonta. Voasambotra ny 2 tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ny 3. Nentina teo anivon’ny zandarimaria tao Ambatomirahavavy ireo voasambotra sy ireo omby 5 izay ahitana vositra 2, omby vavy 2, ary zanak’omby iray. Tao aorian’ny filazana fiantsoana izay mety ho tompon’ireo biby ireo dia fantatra ankehitriny fa efa tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony ireo omby ireo. Nazava sy voamarina avokoa ny antontan-taratasy ka nahazoana nanolotra azy ny fananany. Fantatra ihany koa fa ny alin’ny 3 Jolay tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nalaina an-tsokosoko tao am-bala tao amin’ny kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo ireo omby ireo ary avy any amin’ny kaominina Ambohimandry, mbola ao amin’ny distrika Arivonimamo ihany, ireo dahalo roa voasambotra. Nanambara moa ny komandin’ny Borigadin’Ambatomirahavavy fa efa miroso lalindalina kokoa amin’ny famotorana ireo jiolahy roa ireo izy ireo ankehitriny mba hikarohana ireo namany telo izay afa-nitsoaka tamin’io Sabotsy 4 jolay io. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici