- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMpangalatra tratra Analamahitsy : Nasaina nilanja soram-baventy nanerana ny tanàna sy nanadio...

Mpangalatra tratra Analamahitsy : Nasaina nilanja soram-baventy nanerana ny tanàna sy nanadio tatatra

Ny aza mba tratra manao ratsy eny Analamahitsy ihany ! Lehilahy iray manodidina ny 35 taona ny ho any no tratry ny fokonolona nangalatra tetsy amin’ny fokontany Analamahitsy Tanana omaly. Tsy nisy alaharo alaharo aloha fa avy hatrany dia nanampatra ny fony sy nanala ny hatezerany tamin’ity olon-dratsy ity avokoa ireo nahatratra. Soa ihany, niditra an-tsehatra ireto tompon’andraikitra ka nomena sazy hafakely ingahirainy, rehefa tsy nety nandray azy ireo mpitandro filaminana.

Araka ny fampitam-baovao avy ao amin’ny tambazotra sosialy ampiasain’ireo tompon’andraikitry ny fokontany hifaneraserana amin’ireo mponina ao aminy, dia fantatra fa lehilahy iray no voasambotra teny an-toerana omaly maraina, rehefa tratra am-bodi-omby nangalatra teny amin’iny faritra Analamahitsy tanana iny. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao dia olona avy any Ambatofotsy ity farany ary tonga hatrany mihitsy manao ny asa ratsiny. Efa niharan’ny fitsaram-bahoaka teny an-toerana ingahirainy ary naratra sy nivonto ny faritry ny lohany, vokatr’ireo daroka an-katezerana nataon’ireo fokonolona nahatratra azy. Nezahina natolotra teny anivon’ny mpitandro filaminana saingy « efa tratran’ny fitsaram-bahoaka ka indrisy tsy afaka raisin’ny polisy intsony », hoy ny filazam-baovao.

Hany herin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanafay tanteraka ity olon-dratsy ity tamin’ny alalan’ny sazy hafa kely. Tsy inona fa ny asa fanasoavana ny daholobe : ny fanadiovana ireo tatatra rehetra tsentsina sy ny faritra maloto  rehetra teny an-toerana. Nanampy izay dia nasaina nilanja soram-baventy izy nony avy eo. Soratra ahitàna hoe « Mifona aho fa tsy hangalatra intsony eto Analamahitsy tanana intsony !» Nasaina nitety sy nihodikodina tamin’ireo faritra rehetra teo Analamahitsy ity mpangalatra ity, teny am-pilanjana izany soratra izany. Heverina fa mety hanafay tanteraka ireo olon-dratsy hikasa hanao asa ratsy eny amin’iny faritra iny izao nahazo an’ity mpangalatra ity izao.

 

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

2 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici