# Misy manararaotra ny fihibohana mba hanaovana ny asaratsiny. Eo Ambatomitsangana, omaly tolakandro, no nisy nanaraka ny ramatoa iray izay nandeha an-tongotra hamonjy ny asany. Soa fa mbola nisokatra ny mpivarotra lasantsy ary tao izy no niery fa raha tsy izany dia efa voaendaky ny jiolahy. Midika izany fa mila mandehandeha ny mpitandro ny filaminana manao fisafoana tampoka fa tsy mijanona fotsiny eny amin’ireny barazy ireny.
# Nisy nanararaotra ny nampiasa fitaovam-panjonoana avo lenta nefa tsy nahazoana alàlana tao Nosy-Be. Sarona ny tavoahangy fiainàna any anaty rano miisa 30 sy ny fitaovana hafa marobe. Ny lakana fanjonoana tsotra no mody atao eo ambony ranomasina kanefa ao ambany ao efa misy olona mitsoraka ary maka ny harena. Mbola raràn’ny lalàna izany aloha hatreto.
D.R